
Nosavaina ny olona handeha hiangona sy hamonjy fetin’ny taranaka. Tohina ny maro ary resy lahatra fa tafahoatra ny filam-baniny azy ireo…
Roa naratra, telo no voasambotra tetsy Ambohijatovo sy Analakely ny asabotsy lasa teo. Tonga tokoa ny olona ary naneho ny tsy fifaliany ny amin’ny fitazonana ny Filoham-pirenena teo aloha. Mpikambana iray teo anivon’ny kongresin’ny tetezamita teo aloha ny iray tamin’ireo voasambotra. Omaly dia mbola notazonina tao amin’ny toby etsy Betongolo ireo olona ireo, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny zandary. Tsy nijanona teto an-drenivohitra ihany ny fidinana an-tsehatry ny mpitandro ny filaminana, satria nihetsika koa ny tany Antsirabe. Raha ny fijery dia toa fandaniana andro mifanenjikenjika fotsiny ny etsy Analakely sy Ambohijatovo. Na ireo parlemantera hoe mpitari-tolona aza dia nandalo fotsiny dia niala, satria tsy nahazoana alàlana ilay famoriam-bahoaka hoy izy ireo. Toa mainka koa izany nampiakatra ny hafanan’ny olona izay niantomboka nitora-bato sy nanakan-dàlana amin’izay ary niafara tamin’ny fifanoherana tamin’ny mpitandro ny filaminana aza. Niverina ny filaminana tamin’ny efatra ora. Namafisina hatrany ny fiambenana an’Antananarivo sy ny manodidina. Fa ny nahataitra kosa dia ny fisian’ny fisavàna be tetsy Imerinkasinina ny alahady teo. Nosakanan’ny mpitandro ny filaminana mitam-piadiana ny fiara rehetra izay hizotra ho any amin’io tanàna niavian’ny Filoha teo aloha ny marainan’ny alahady. Tsy iza anefa fa olona handeha hamonjy fotoam-bavaka ireo. Nosavaina ny taratasin’ny fiara, torak’izany ihany koa ny tao anatiny ary nojerena tsara ireo mpitaingina. Mazava fa avy any no fiavian’ny Filoha teo aloha ary mpiara-mivavaka aminy sy mpomba azy avokoa ireo olona nankeny isan’alahady. Nipetraka ary ny fanontaniana hoe inona no tena natahorana ireo olona nihazo teny? Olona izay niaraka tamin’ny fianakaviany avokoa ary indrindra koa hamonjy ny fetin’ny taranaka. Sady tsy fisavana tsotsotra, raha araka ny fanazavan’ireo izay tany an-toerana, fa maka fotoana lavalava mihitsy. Betsaka no tohina tamin’ireo olona ary nanontany tena hoe sao dia tafahoatra loatra ity fepetra raisina eto an-drenivohitra ity. Ny alakamisy dia ampisehoana ny basy isan-karazany sy ny fitaovana fanipazana grenady. Ekena fa matihanina tanteraka ny fidinana an-tsehatr’izy ireo ny asabotsy teo, saingy raha nitohy tany an-toeran-kafa kosa ny alahady, toa izay nitranga tany Imerinkasinina, toa hita fa tafahoatra ihany.
D.R



