- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohipo : Mpivaro-kena lasa mpanendaka

Ambohipo : Mpivaro-kena lasa mpanendaka

Tsy nisy fisalasalana fa dia nodidian’ireto olon-dratsy tamin’ny antsy fampiasany isan’andro ny tanan’ity rangahy iray, rehefa somary nanohitra azy ireo tamin’ny fakana an-keriny ny findainy ity farany. Soa ihany anefa fa tsy lasa lavitra ireto totakely dia voasambotra, rehefa niantso vonjy ilay lasibatra. Fantatra fa sady mpivaro-kena izy ireo no ady mpanendaka ihany koa.

Zava-niseho tetsy Ambohipo, tsy lavitra ny « bara Fanjava », araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy, ny talata lasa teo, tokony ho tamin’ny sivy ora maraina tany ho any. Naratra vokatry ny fanendahana niharo herisetra nihatra taminy ny rangahy iray. Mpanendaka roa lahy efa raindahiny loatra tamin’izany resaka izany no nanao ny asa ratsy. « Tsy lavitra teo ny Polisy manao fisafoana mandeha an-tongotra, nahatazana tsara izany tranga izany ka nisambotra avy hatrany an’izy roa lahy ireto. Marihina fa mbola tratra teny amin’izy ireo ny antsy lava iray, fitaovana entiny manatanteraka ny asa ratsiny. Nentina avy hatrany teny amin’ny Kaomisarian’ny Boriborintany faharoa Ambohijatovo izy ireto nanaovana fanadihadiana. Fantatra araka izany fa mpivaro-kena no asa fanaon’ireto roa lahy ireto izao manao asa ratsy izao ihany koa », hoy ny vaovao azo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici