- Publicité SW45 -
mercredi, février 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasapito : Cocaïne amidy eny amin’ny « gare routière »

Ampasapito : Cocaïne amidy eny amin’ny « gare routière »

Efa ela no nanarahana maso an’ity lehilahy iray 29 taona, izay malaza ratsy ho mpivarotra sy mpamatsy ireny karazana rongony mahery vaika ireny, teny amin’iny faritra Ampasapito sy ny manodidina iny. Tsy afa-niala intsony ny lehilahy, tratra am-body omby teo am-panaovana ny asa ratsiny, tetsy amin’ny toby fiantsonan’ny taxi-brousse teny an-toerana, ny alakamisy lasa teo. Ao anatin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, indrindra fa ireo lazaina hoe rongony mahery vaika, dia tsy manao ambanin-javatra izay sombim-baovao azo rehetra ny polisy, ireo avy ao amin’ny sampan-draharaha miady amin’ny zava-mahadomelina, miara-miasa amin’ny sampan-draharahan’ny pôlisy hafa. Toa ity tetsy Ampasampito, izay nahafahana nisambotra ity tovolahy mpivarotra « meth » ity dia vokatra azon’ny teo anivon’ny polisin’ny Stup sy ny polisy miasahana ny ady amin’ny heloka bevava sakelika fahatelo izany.

Raha ny zava-nisy tokoa mantsy, araka ny loharanom-baovao azo avy eo anivon’ny pôlisim-pirenena, lehilahy iray no voalaza fa miha-miparitaka eny amin’iny faritra Ampasapito iny ihany koa ireo karazana rongony mahery. Misy toerana iray voatondro ho nipoiran’izany, ary tovolahy iray no fantatra fa mpamatsy azy io. Efa fantatra ny momba azy sy ny toerana tena falehany hanaovany ny asa ratsiny, hoy hatrany ny vaovao ary nanomboka tamin’izany no nanara-maso azy tsy an-kijanona ny pôlisin’ny BC3. Heverina fa niditra an-tsehatra mihitsy ireto farany satria mazàna, matoa voatondro tahaka izany ny olona iray dia mety misy tambazotran’olon-dratsy matanjaka aoriana. Ny alakamisy lasa teo, tokony ho tamin’ny telo ora hariva, tetsy amin’ny tobim-piantsonan’ny fiara taxibrousse no niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana izy ireo, rehefa tra-tehaka am-body omby teo am-pivarotana ny lehilahy.  « Nahitana « Metamphetamine » 0,5g tany aminy », hoy hatrany ny vaovao. Natolotra avy hatrany ny pôlisin’ny Stup moa ny lehilahy taorian’izay, ho amin’ny tohin’ny famotorana. « Nandritry ny fanadihadiana no nahafantarana fa amidy 240 000ar ny iray grama raha toa ka 200 000ar no andraisany izany. Niaiky ihany koa ity farany fa sady mivarotra no mifoka ity zava-mahadomelina ity » raha ny vaovao azo.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Ka rehefa tsy manana asa ny tanora dia lasa mivarotra rongony, na mifoka koa. Ny fisokafan’ny frontière, ny touristes fa tsy izy rehetra akory, ny clandestins komorianina sy afrikanina tonga antsokosoko @ sambo, ireny no anisany mpamatsy rongony .

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici