- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversCite Haras Toamasina : Zaza kambana main’ny herinaratra, maty ny iray

Cite Haras Toamasina : Zaza kambana main’ny herinaratra, maty ny iray

Niteraka resabe ny famantsiana ataon’olona tsotra ao amin’ny tsena tranon-jiro Ankirihiry. Nitera-doza mantsy izany fanaparitahana herinaratra amin’ireo mpivarotra lasopy ao amin’ity tsena ity. Ity olon-tsotra iray ity no mamatsy herinaratra ireo tranoheva mivarotra, nefa tsy zarizary ny fanaovany izany ka izao nitera-doza izao no niafarany. Ny tolakandro ny alakamisy teo no nitranga ny loza, raha nilalao teo anilan’ilay herinaratra zaraina ireto zaza kambana monina ao amin’ny Cite Haras mifanila amin’ilay tsena. Zaza vao herintaona sy tapany izy ireo, ka ilay iray no voa voalohany. Raha nahita izany ilay faharoa nanatona teo koa dia avy hatrany dia nipitika; nahita ny zava-nisy ny renimben’ireo zaza ka niezaka nanavotra sy nisontana saingy mbola natsipin’ilay herinaratra hatrany. Nifamonjena ilay zaza voa voalohany saingy efa tsy tana ny ainy tamin’ilay herinaratra nahazo azy. Raha ny angom-baovao dia rangahy iray mpanao lasopy ao amin’ny tseran’Ankirihiry mpizara jiro amin’ireo manodidina, no nitarika jiro ka niboridana avokoa ny fitaovana nampiasaina; ka izay no nikasoka tamin’ny tafotrano sy rindrina ka izao nitera-doza izao. Tonga teny an-toerana ny Jirama sy ny mpitandro ny filaminana, ilay nahavanon-doza koa nanampy momba ny fatin’ilay zazavavy kely. Mitaky ny fahamatora amin’ny fampiasana herinaratra ao an-tsena ireo mpivarotra.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici