- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversANALANJIROFO : Ala Makira : Nomena ny vondron’olona ifotony ny fitantanana izany

ANALANJIROFO : Ala Makira : Nomena ny vondron’olona ifotony ny fitantanana izany

Ny tetik’asa Usaid Mikajy niaraka tamin’ny WCS no nitantana ity ala voajanahary izay mandrakotra ny 1/6 ny velaran-tanin’ny farita Analanjirofo, ny « Ala Makira » teo aloha. Hifarana tamin’ity volana febroary ity anefa izany, raha ny fantatra. Ho fampandraisana anjara ireo Vondron’olona eny ifotony, hisian’ny fampandrosoana mirindra tokoa anefa, manomboka izao dia izy ireo indray no hitantana izany ala izany. Tontosa ny alarobia lasa teo ny lanonana famindram-pitantanana teo amin’ny roa tonta, ary narahana fanolorana fanomezana ho an’ireo VOI tao amin’ny fokontany Ambodimanga Manambolo, distrikan’i Maroantsetra. Tonga nanotrona izany lanonana manetreketrika izany ny Goverinoran’ny faritra Analanjirofo, ny Dr Marcellin Randriamanantena, niaraka tamin’ireo manampahefana isan-tsokajiny avy, ary ireo ekipan’ny Usaid Mikajy notarihin’ny Tale nasionaliny, Rtoa Johanna. Tao anatin’izany lanonana izany ihany koa no nanararaotana, nankaherezana ireo vehivavy, hiatrika ny andron’izy ireo ny 8 martsa ho avy izao ary nanoloran’ny Goverinora fanitso 30 isa, hanavaozana ny efitranon-tsekoly, izay rava tafo, vokatry ny rivo-doza Eloise, ny taona 2021. Hafaliana tsy omby tratra ny an’ireo vahoaka tao Manambolo ary velom-pisaorana ny fitondram-panjakana tamin’izao hetsika izao.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici