Nanao hetsika ny mpitandro filaminana tato anatin’ny efa-bolana lasa izay, manoloana ireo asan-jiolahy maromaro niseho tetsy sy teroa. Hetsika izay fantatra amin’ny anarany hoe « Force de frappe », nanomboka ny volana jolay no ho mankaty. Fantatra tamin’izany fa miisa 36 no trangam-panafihana nisy ka tao anatin’izany ny famonoan’olona, ny fikambanan-jiolahy ary ny fangalàna an-keriny. Olona miisa 59 no voarohirohy tamin’izany ka ny 35 tamin’ireo no nalefa any am-ponja avy hatrany raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny ambiny. Jiolahy miisa 5 kosa ny matin’ny mpitandro filaminana nandritra izany hetsika izany raha iray tamin’ireo no naratra. Nahatratra teo amin’ny 13 kosa no isan’ireo olona maty nisy namono raha 24 kosa no naratra tamin’ireo trangam-panafihana ireo. Etsy andanin’izay, fitaovam-piadiana mahery vaika fampiasan’ireo olon-dratsy maromaro ihany saron’ny mpitandro filaminana ka roa tamin’ireo no kalaky, telo poleta, roa grenady mahery vaika, iray kosa no basy vita gasy ary nahatratra 104 no isan’ireo bala tratra. Ambon’izay dia misy ireo zavatra hafa nogiazan’ny mpitandro filaminana tratra tany amin’ireo jiolahy ireo ka miisa dimy ny fiara, môtô telo ary fitaovam-piadiana tsy mahery vaika iray. Fantatra ihany kosa nandritra ny tatitr’ireo mpitandro filaminana ireo fa fiaran’ny pôlisy iray no trobaky ny balan’ireo olon-dratsy tany Ankahimbahoala. Mitohy tamin’ny hetsika « force de frappe » fanindroany indray moa io hetsika io fa tsy nifarana akory, izay nahazoana vokatra sahady dia fandravàna ny tambajotran-jiolahy mpanao fangalàna an-keriny sy mpangalatra fiara.
m.L