- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversSakaraha : Fanafody lany daty mitobaka an-tsena

Sakaraha : Fanafody lany daty mitobaka an-tsena

Manjaka ny gaboraraka amin’ny fivarotana fanafody amin’izao. Raha ny ao Sakaraha ao dia mitobaka eran’ny tsena ny fanafody tsy fatantra fiaviana ary misy ny efa lany daty. Na ireo mpivarotra nohadihadiana mameno tanàna amin’ireo tsena sy ny mivarotra izany amoron-dalana amin’ny sobika sy baoritra aza dia tsy nanambara ny fiavian’ireo fanafody amidiny, fa miantoka fotsiny izy ireo. Tsy mahafantatra ny fiavian’izany. Ho azy ireo dia misy manjifa ara-dalàna ireto fanafody ireto ary mbola mandeha tsara ny asan’izy ireo. Misy mihitsy ny sasany mitety tsena any ambanivolo mivarotra izany. Rehefa jerena anefa ny soratra eo amin’ny fonon’ireto fanafody mitombaka, ny ankamaroany “générique”, dia saika avy any Inde sy Chine ny fiaviana, ary mora kokoa ny vidiny raha mitaha ny any amin’ny fivarotam-panafody ara-dalàna. Mipetraka ary ny fanontaniana amin’ny fiparitahan’ireto « fanafody baolina » ireto ankehitriny. Tsy any amin’ny distrikan’i Sakaraha ihany no ahitana tranga toy izao, fa saika amina faritra maromaro eto amin’ny nosy. « Aiza ireo fikambanana milaza ho mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy ny hetsiky ny fikambanan’ny mpivarotra fanafody ara-dalana ary ny fepetra hentitra raisin’ny fanjakana manoloana izao tranga miendrika famosaviam-bahoaka izao ». Raha ny lalàna tokoa mantsy dia tokony ho ny fivarotam-panafody ara-dalàna ihany na ny toeram-pitsaboana no misahana ny fanampariahana izany. 
Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser