Tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka ny namonoan’ireo tsy valahara ity tovovavy iray, tany amin’iny distrikan’i Besalampy iny, tao amin’ny tanana antsoina hoe Mahabe. Raha ny filazan’ny rainy dia tsatok’antsy roa be izao no niahtra teny amin’ny vatany, teny amin’ny sorony sy teo amin’ny tratrany, antony nahafaty azy. Efa ho telo volana lasa izay ity tranga ity, kanefa mbola tsaroan’Ing. Rakoto Marcel hatrany ny ranomasony nijohy, nanotrona ity vatana mangatsiaka an-janany vavy, vao 24 taona monja, nihoson-drà. Tsy fantatra izay tena antony namonoana azy, saingy taorian’ny fikarohana dia fantatra tsara koa ilay tompon’antoka tamin’izao vono olona feno habibiana izao, hoy izy. Efa voasambotry ny zandary io olona io, ary efa niakatra teny anivon’ny Fampanoavana tany an-toerana. Mazava ho azy, vono olona niniana natao ny nanenjehana izany olona izany ka avy hatrany dia nanapa-kevitra ny hampiditra am-ponja vonjimaika azy ny mpitsara mpanao famotorana, miandry ny daty hitsaràna azy. Mbola tsy fantatra moa izay fotoana izay ary miandray izany fatratra ny fianakaviana nanana ny maty. Voalaza anefa fa taty aoriana, araka ny ren’ireto fianakaviana ireto, dia toa hoe tsy any am-ponja intsony ity nahavanon-doza ity fa efa miriaria any. Mitairana sy maneho ny alahelony amin’izany toe-javatra araka izany izy ireo ary mangataka amin’ireo tompon’andraikitra mba hijerena akaiky izay. Marihana fa namerina nametraka fitoriana ao Maintirano ireto fianakaviana ireto.
Nangonin’i m.L