“Manangana famantarandalana ho anao ianao, manorena tsangam-bato”
Jeremia 31:21a. Io teny voasoratra ao amin’ny Baiboly io no nofidin’ny fiangonana Fjkm Antampon’Itaosy hitondrana ny fankalazana ny faha-150 taona niorenany. Maro ny hetsika nentin’izy ireo nankalaza ny jobily, nanomboka ny 2 marsa 2014 ary tsy hifarana raha tsy ny 1martsa 2015. Ny sabotsy 18 oktobra teo kosa, no ivon’ny fankalazana izay niarahan’ny fiangonana tamin’ny Synodam-paritany Antananarivo Andrefana. Nitohy ny alahady izany, izay niarahan’ny fiangonana tamin’ny zanaka am-pielezana. Tapaky ny fiangonana, fa fanitarana mianatsimo ny tempoly no atao ho tsangam-baton’ny faha-150 taona. Ny asa dia nokasaina ho vita ao anatin’ny roa taona eo ho eo. Ny volana jona talohan’ny nihatrehana ny voka-dehibe 2014 no vita ny fototra ary tao aorian’ny tolobidy izay natao dia niroso avy hatrany tamin’ny fananganana ny rindrina ny fiangonana ary dia kasaina ho vita ny faran’ny volana janoary 2015 izany. Nosoritan’ny mpitandriana am-perinasa Ravelosoa Andriamamonjy Nomenjanahary Mickael ny fiangonana ankehitriny dia ny hoe “Miaina ny tenin’Andriamanitra, tia vavaka ary velona ho an’ny hafa”. Ankoatra ireo sekolin’ny finoana maro izay mijoro dia mitsinjo mivantana ireo mahantra ao aminy ny fiangonana raha tsy hiteny afa-tsy ny fizarana vary isaka ny sabotsy.
Fy