Vao tsy ela akory no vita ny sazin’i Honoré, fantatra amin’ny hoe Danoro, dia efa niverina nanao ny asaratsiny indray izy. Efa nanao fanafihana mitam-piadiana ny tenany raha araka ny fanamarihan’ny pôlisy. Isaky ny migadona ny amin’ny telo ora sy sasany maraina dia mivoaka ny trano izy ary mikendry izay olona mandalo eny amin’ny manodidina an’Ampasanimalo. Ireny no ataony « remby ». Nahazo fitarainana momba izany ny pôlisy avy etsy amin’ny boriborin-tany faharoa ary nanao velam-pandrika. Nidinana vao maraina teny an-toerana ka sarona niaraka tamin’ny antsy lava lela i Danoro. Tsy nijanona teo fa tonga hatrany amin’ny fisavàna ny tranony. Teo no nahitàna zavatra maro toa ny « écran plat », solosaina ary kojakoja hafa. Mbola mandeha ny fikarohana ny namany raha araka ny fanazavan’ny pôlisy. Ny mpitandro ny filaminana hatrany no nanamarika fa mbola misy basy mandehandeha koa any, ampiasain’ny tambajotra misy an’i Danoro.
D.R