Volana vitsivitsy lasa izay no nandravarava ny afo teo amin’io fokontany io, dia io naharava fananana olona an-jatony mahery io indray.
Hain-trano mahatsiravina ! Saika trano hazo avokoa, am-polony mahery tany no indray kilan’ny afo, omaly hariva tetsy Antsahakely Besarety. Tsy nisy aloha hatreto ny naratra na ny namoy ny ainy raha ny vaovao azo teny an-toerana, na dia izany aza, tafakatra an-tapitrisany maro ny zavatra simba sy lasa lavenona tamin’ity loza ity. Saika mpivarotra avokoa mantsy ny ankabeazan’ireo trano kila hotohoto. Tokony ho tany amin’ny 4ora latsaka tany ho any no niatomboka ny afo voalohany raha ny fitantaran’ireo traboina. Mifamahofaho be ihany ny fototra nitrangan’ity afo nandevona trano maromaro ity. Raha ny filazan’ny iray tamin’ireo traboina, tamin-dranomaso sy namihina ireo entana kely sisa avotra, dia toa hoe « court-circuit » niantefa tamin’ny trano iray; izay fivarotana no niandohan’ny afo. Tsy voafehy intsony izany ka dia niparitaka tamin’ireo trano hafa manodidina. Misy sasany amin’izy ireo indray no nilaza fa hoe zavatra nipoaka mafy ary dia niparitaka ny lela afo avy eo. Notapahan’ny avy amin’ny Jirama avy hatrany ny herinaratra mifandray amin’iny fokontany iny raha vao fantatra fa nisy ilay fahamaizana. Betsaka « fil » sy andrin-jiro mandalo mantsy teny an-toerana. Fotoana vitsy taorian’izay kosa no tonga ireo mpamonjy voina, kanefa noho ny toerana tsy nahafahan’ny fiarabe mpitondra rano handehanana dia somary nanano sarotra ny fidirana tany amin’ilay toerana nitrangan’ny loza, ka nampiitatra izay tsy izy ny afo. Etsy andanin’izay ihany koa ny fisian’ny rivotra sy ny andro maina dia maina. Niezaka nifehy ny fiitaran’ny afo ihany ireo fokonolona, kanefa herim-po very maina izany. Entin-kamehana ny sasany tamin’ireo mponina teny an-toerana, ka tsy nisalasala namaky rindrin’olona, mba hahazoan’ilay fiarabe nigadona teny an-toerana. Na izany aza anefa dia mbola tsy tafiditra ihany ity farany. Tapa-porohona, izay tsy nisy azo noraisina intsony, sisa najoron’ny afo tamin’ireo trano marobe vao nitsifotra ny ranon’ireo mpamonjy voina. Tokony ho tany amin’ny 6ora hariva tany ho any kosa vao tena maty tanteraka ny afo teny an-toerana. Tsiahivina fa vao tsy ela akory izay, volana vitsivitsy teo ho eo no nandravarava tamin’iny faritra iny ny afo. Izay nampametra-panontaniana ireo mponina teny an-toerana ihany, hoe sao misy ambadika izao zava-mitranga eny an-toerana izao.
m.L