- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMananara Avaratra : Voasambotry ny polisy ny jiolahy raindahiny

Mananara Avaratra : Voasambotry ny polisy ny jiolahy raindahiny

Ilay lehilahy tratra tamin’ny asan-jiolahy.

Lehilahy iray 23 taona no voasambotry ny polisy avy ao Mananara Avaratra ny alakamisy teo tao Analanjahana noho ny resaka fanafihana sy vaky trano. Nitrangana asan-jiolahy tao amin’ny fokontany Androkaroka izay nahaverezana entana maro. Tokantrano iray no lasibatra tamin’izany. Tonga teny amin’ny biraon’ny polisy tany an-toerana ny tompon-trano nanao Fmfitarainana mahakasika an’izany. Nandray ny andraikiny ny mpitandro ny filaminana nikaroka ny nahavanon-doza. Nahitam-bokany izany ka tratra ilay ity Jiolahy ity. Tsy lavitra io toerana nisehoana vaky trano io ihany no nahatratrarana ity farany rehefa natao ny fikarohana sy fanarahan-dia. Rehefa natao ny fisavana ny tranony dia nahatratrarana kidoro iray, fitaratra iray, latabatra iray, vilany iray, lapoaly iray, batterie iray, akanjo maro isan-karazany. Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy ity farany nanaovana fanadihadiana ka tamin’izany no nahafantarana fa izy no nanao io vakitrano naharaisana fitoriana io. Manamarina izany ireo fitaovana maro very ka hita tany aminy ireo. Araka ny fanazavana, efa jiolahy raindahiny izy ity Ary manao Io asa ratsy io matetika. Misy ihany koa ny namany ka eo andalam-pikarohana azy ny mpitandro filaminana. Azo lazaina fa milamina ihany ny any amin’ny distrika Mananara Avaratra saingy tao anatin’ny volana vitsivitsy no nisehoana asan-jioahy toy ny vakitrano tany amin’iny toerana iny. Manao ny ainy tsy ho zavatra ny mpitandro filaminana roa tonta Manoloana izany. Natolotra ny fitsarana ity lehilahy iray tratra ity.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici