Tato ho ato izay dia nisesisesy tokoa ny hain-trano tetsy sy teroa. Omaly antoandro, tokony ho tamin’ny 1ora tany ho any, dia trano lehibe iray teny Andohan’i Mandroseza iny no kilan’ny afo. Tsy nisy ny aina nafoy na olona naratra, na dia izany aza dia saika potika sy tsy nisy noraisina intsony ireo entana rehetra tao an-trano. Raha ny fanazavana azo teny an-toerana dia ankevitry ny tsy nisy olona tao amin’ity trano ity. Ireo mponina tety ivelany mantsy, raha nahita ny fijoalajoalan’ny afo, no niantso ny mpamonjy voina. Raha ny fantatra hatrany dia ny efitra iray tany ambony rihana no niandohan’ny afo ary nitatra ka nahamay tanteraka ity trano lehibe ity. Nifandrimbona sy niezaka nifehy ny afo tsy hitaparitaka ireo olona rehetra teny an-toerana, nampian’ireo mpamonjy voina, tonga teny fotoana vitsivitsy taorian’ny firehetana. Teo amin’ny antsasak’adiny teo ihany dia voafehy tanteraka izany hain-trano izany. Fantatra, nony avy eo, raha ny voalaza teny an-toerana hatrany, fa ny rihana ambon’ity trano ity no may kila forehitra. Tsy voakasika kosa ny tao ambany rihana. Tokony hitandrina foana ny tsirairay manoloana izao andro mafana sady maina nefa somary mandrivotra izao, izay isan’ny manamora ny fitaran’ny afo vetivety monja.
m.L