- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversManakara : Mpandraharaha sinoa, nahatratrarana rongony sy bala

Manakara : Mpandraharaha sinoa, nahatratrarana rongony sy bala

Teratany sinoa iray, izay fantatra fa mpandraharaha any Beraketa, distrikan’i Vohipeno, no voasambotry ny mpitandro filaminana avy ao Manakara, ny alatsinainy lasa teo. Raha ny loharanom-baovao azo dia nahatratrana lavanilina tsy ara-dalàna, milanja eo amin’ny 55kg eo tany amin’ity teratany sinoa ity. Hita tany aminy ihany koa, nandritra ny fisavàna natao azy, ny rongony 325g, niaraka tamina fitaovam-piadiana sy bala miisa 11. Raha ny tatitra nataon’ny zandary dia saika hizotra ho any Vohipeno ity teratany vahiny ity io voasavan’ny mpitandro filaminana natao « barrage routier » io. Rehefa hita fa nampiahiahy ny fihetsik’ity lehilahy ity dia niroso tamin’ny fisavàna ny fiara tsy mataho-dalana nentiny ny mpitandro filaminana ka tamin’izany no nahatratrarana an’io fitaovam-piadiana sy zava-mahadomelina ary lavanilina tsy ara-dalàna ireo. Notazomina avy hatrany tao Manakara ity lehilahy sinoa ity niaraka tamin’ny mpamiliny. Nogiazana kosa ilay fiara tsy mataho-dalana nentiny. Ary efa miroso amin’ny fanadihadiana ny zandary amin’izao fotoana izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser