- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy – Mahamasina – Anosibe : Mpangarom-paosy maromaro voasambotra

Anosy – Mahamasina – Anosibe : Mpangarom-paosy maromaro voasambotra

Ikoizana amin’ny resaka harom-paosy sy sinto-mahery ny eny amin’iny faritra Anosy sy Mahamasina ary Anosibe iny, indrindra moa fa rehefa andro tsena sy somary be olona. Manoloana izany indrindra ary, nisy ny fiaraha-miasan’ny mpitandro filaminana tamin’ny olon-tsotra, araka ny filazan’izy ireo, ho famongorana ity asa ratsy ity. Mpangarom-paosy maromaro no voasambotry ny mpitandro filaminana ny herinandro lasa teo. Raha ny voalazan’ireto farany dia saika efa fanta-pantatr’ireo olon-dratsy ny fisian’ireo mpitandro filaminana misafo amin’ireo toerana ireo ka mifitsaka sy mifangaro amin’ny olona ry zalahy. Nisy ny fiaraha-miasan’ireo mpitandro filaminana tamin’ny fokontany, ka anisan’izany ny teny Anosibe, izay nahatatrarana an-dry zalahy mpanao sinto-mahery sy mpangarom-paosy ireto. Ireny olona amin’ny fokontany ireny mantsy no efa mahafantatra tsara azy ireo ka nanamora izay fisamborana izay. Ny alahady lasa teo ihany koa dia mpangarom-paosy iray no tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy, tetsy Anosy. Voalazan’ny loharanom-baovao fa misy amin’izy ireny ny tsy ampy taona kanefa efa mirotsaka sahady amin’ity asa ratsy ity. Efa samy natolotra ny Fampanoavana avokoa ireo mpangaraom-paosy tratra ireo ary nalefa any am-ponja avy hatrany miandry ny fotoam-pitsaràna azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser