Omaly marina be tokony ho tamin’ny 4 ora no nisy nanatitra teo akaikin’ny tambohon’ny ray amandreniny I Mirado zazalahy kely vao enintaona monja. Efa tsy nisy aina intsony izy no hita, feno ratra ny vatany ary tsy niankajo ihany koa. Tao Fiadanana fokontany Amobohimena no nisehoan’ity tranga mampivarahontsana ity. Taoriana ny fizahana nataon’ny mpitsabo dia voamarina fa nisy nanolana ity zazalahy kely ity.
Araky ny fanazavan’ny fianakaviany dia efa fomban’IMirado sy ireo namany no milalao amina toerana iray tsy lavitry ny trano fonenany. Tsy fombany ny mivoaka miala alavitra ny toerana filalaovany. Ny Alahady teo anefa no tsikaritry ny ray amandreniny fa tsy tazana teo amin’ny toerana filalaovany ny zanany. Io andro ihany tokony ho tamin’ny 11 ora no nanomboka nikaroka ilay zaza ny fianakaviany manontolo saingy tsy hita izay nisy azy.
Akory ny hatarairan’ny dadatoan’ilay zaza nahita an’IMiradokely miboridana nisy nanatitra teo akaikin’ny tamboho omaly maraina be tokony tamin’ny 4 ora. Nampandrenesina ny ray aman-dreniny sy ny mpitandro filaminana nanao fizahana ny razana.
Fantatra fa zazatokan’ny ray amandreniny I Mirado, tsara fifandraisana amin’ny fiarahamonina izy ireo tia adiady ary tsy misy olana eo amin’ny fiarahamonina ihany koa. Mangataka ny fianakavian’IMirado ny hisokafan’ny fanadihadiana haingana sy hijerena akaiky ity raharaha ity hamantarana izay nahavanon-doza.
Andry N.