- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAnjanahary : Vehivavy iray voarohirohy tamin’ny halatra moto

Anjanahary : Vehivavy iray voarohirohy tamin’ny halatra moto

Moto iray no very teny Anjanahary ny alakamisy lasa teo, ka tratra teo anoloan’ny tranona vehivavy iray ny kojakojan’ilay moto, izay fantatry ny tompony, niaraka tamin’ny lamba nandrakofana azy io. Vokatr’izany, nitory azy avy hatrany ny tompon’ilay moto ary nikatra fitsarana ny asabotsy teo ny raharaha. Nivoaka omaly ny didim-pitsarana ka nohafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana ilay vehivavy io. Nilaza ny mpitory fa gaga tamin’ny fanapahna-kevitry ny fitsarana, ary tsy afa-po tamin’ny didy. Manan-jo izy, araka izany, ny ampiakatra fitsarana ambony. Nilaza moa ny mpitory fa ampy ny porofo amin’ny fiampangana ilay vehivavy io, saingy iny ny fanapahan-kevitry ny fitsarana. «Be namana be ary maro ny mpifanerasera amin’izy io. Nipetraka avy hatrany ahiahy sady hita teo anoloan’ny varavarana ny kojakoja samy hafa tamin’ny moto very sy ny lamba nandrakofana azy », hoy ny fanazavan’ny mpitory. Araka izany, mbola hitohy ny raharaha eny anivon’ny fitsarana. Ny halatra moto izay anisan’ny mahazo vahana tanteraka eto amintsika, na an-tanan-dehibe na any amin’ny manodidina an’Antananarivo. Marobe ny fitarainana sy ny fitoriana mipetraka eny anivon’ny mpitandro filaminana. Ao ny azo amin’ny « caméra de surveillance » ireo olon-dratsy ka iantsoana fanomezan-tanana. Ny sasany tonga dia tsy hita popoka tsotra izao. Araka ny fanadihadiana natao, misy tambajotra mihitsy ireo jiolahy mpanagalatra moto eto amintsika. Avadik’ireo olon-dratsy ho fakana kojkakoja ny moto ary averina amidy na alefa any amin’ny faritany izany. Ny sasany kosa misy mahavita manova ny loko ny laranan’ny moto ary mivarotra avy eo. Efa maro ny tratran’ny polisy ireo olon-dratsy, kanefa tsy mampihena ireo manao asa ratsy amin’izany. Misy fotoana mitondra fiara mihitsy ireo mpangalatra ary mampiditra izany anaty fiara. Ny sasany vitan’ny manosika, ary ny hafa manana fanalahidy mahavelona ny moto halatra ary mitondra izany mitsoaka avy eo.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici