Tonga nitsidika ny ivontoerana iray mitaiza ireo zaza antsoina hoe « autiste », irony ny fikambanana mpanao asa soa fantatra amin’ny anarana hoe «Mizara Soa Am-pitiavana », ny alahady lasa teo. Nahatsiaro manokana ireto zaza ireto izany fikambanana izany, tamin’ny mpanorina azy, no sady filoha tale jeneralin’ny orinasa Champion Society. Nanantintrantitra ity filohan’ny fikambanana no sady akaiky ny mpanakanto ity fa « zaza toy ny zaza rehetra ireo « autiste » ary tokony hampitoviana zo, fa tsy ahilikilika ». Tao anatin’izany fitsidihana ilay ivontoerana fantatra amin’ny anarana hoe « Association Nos Enfants Extraordinaires » izany moa dia tsy nohadinoin’ny Mizara soa am-pitiavana ny nivimbina ny voatsirambin’ny tanana, hoentina manampy ilay ivontoerana misy ireo zaza « autiste » sy ireo beazina ao aminy. Vary sy fitaovam-pianarana, niaraka tamin’ny sakafo isan-karazany no natolotra sy nomena ity ivontoerana ity. Nisaotra sy nankatelina tanteraka izao fihetsika nasehon’ity fikambanana mpanao asa soa ity moa ireo mpitantanan’ilay « centre », izay nahatsapa tokoa fa ilaina ny tohana avy amin’ireo tsara sitrapo tahaka izao. Ary manentana hatrany ireo izay terem-panahy ihany izy ireo, amin’ny fanampiana sy fanohanana izany ivontoerana manabe ireo zaza « hafakely » izany. Marihina fa zaza manodidina ny 13 no beazina ao amin’ity ivontoerana ity izay manao « cantine scolaire » ao an-toerana ihany.
Nangonin’i m.L