- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversMaibahoaka Ivato : Basy vita gasy roa sy vodim-bala marobe sarona

Maibahoaka Ivato : Basy vita gasy roa sy vodim-bala marobe sarona

Ireo basy sarona.

Lehilahy iray nambaran’ny zandary fa dahalo raindahiny no voasambotra ny talata lasa teo. Nahitana basy poleta vita gasy roa niaraka tamin’ny vodim-bala maromaro tany aminy. Rehefa nahita ity lehilahy ity ohatran’ny hafahafa fihetsika ny olona teny Maibahoaka Ivato dia avy hatrany dia niantso zandary. Tonga ny zandary namaly antso ka tra-tehaka izy io miaraka amin’ny basy poleta vita gasy sy vodim-bala maromaro. Mitovy amin’ny tena izy mihitsy ireo basy raha tazanina. Misokatra ny fanadihadiana momba ireo sy io jiolahy io. Anisan’ireo mpanao fanafihana mitam-basy eny amin’ny manodidina an’Antananarivo izy io, ary mety hatreto andrenivohitra mihitsy. Izao tratra izao ary heverina fa hahitana ny namany ihany koa ny famotorana azy ity, indrindra ny hahitana ny niandohan’ireto basy ny nahazoany azy. Mitohy noho izany ny fanadihadiana.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici