- Publicité -
mardi, septembre 22, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Varotra « composé » hanaromana varotra rongony

Andoharanofotsy : Varotra « composé » hanaromana varotra rongony

Raha jerena ivelany dia fivarotana hani-masaka no hita. Rehefa nosavaina anefa dia feno rongony ao ambany latabatra. Izay no hitan’ny zandary tao aminny fivarotana iray tetsy Belambanana-Andoharanofotsy. Nisy olon-tsotra nahatsikaritra izany ary nampita moramora ny vaovao tany amin’ny zandary. Natao ny fitsirihina ary hita avokoa ny fomba famarotana ilay rongony. « Mody mividy sakafo ny mpanjifa ny rongony kanefa avy eo tsy famerim-bola no raisiny fa zavatra lavalava mifono taratasy. Zava-mahadomelina avokoa no ao anatiny rehefa nosavaina » raha araka ny fanazavan’ny zandary. Teo ihany dia natao ny fisamborana ireo olona roa mpivarotra ary nahitàna fonosana miisa roapolo teo amin’ilay toerana.

D.R

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici