- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversPaska teto Analamanga : Tafakatra 59 ireo olona voasambotra

Paska teto Analamanga : Tafakatra 59 ireo olona voasambotra

An-jatony maro ny pôlisy nahetsika ho an’ny teto an-drenivohitra manokana, nandritra iny fetin’ny Paska sy alatsinain’ny Paska teo iny. Amin’ny fety tahak’ireny tokoa mantsy dia tsy hilaozan’ireo olon-dratsy mety manararaotra ny fahabetsahan’ny olona. Raha ny antontan’isa navoakan’ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena dia nahatratra hatrany amin’ny 59 isa tany ho any ireo olona voatery nosamborina sy nanokafana fanadihadiana noho ny asa ratsy nisamborana azy ireo. Nisy jiolahy roa kosa no maty, rehefa nifanandrina tamin’ireo pôlisy, raha iny saika hanao ny asa ratsiny iny.

Marihana fa samy nahazoam-bokatra avokoa ireo kaomisaria foibe anankitelo ao anatin’ny faritra, ny teto Antananarivo renivohitra, ny tetsy Atsimondrano ary ny tao Avaradrano. Ho an’ny kaomisaria foibe tetsy Tsaralalàna manokana dia voalazan’ny fampitam-baovaon’ny pôlisy fa nisy hatrany amin’ny 34 ny trangana fandikan-dalàna voarain’izy ireo.  « Olona miisa 09 no tratra tamin’ny halatra madinika sy fanendahana. Lozam-pifamoivoizana 12 kosa no nitranga nandritra ny alatsinain’ny paska, ka nahitana 07 ireo olona naratra ary 5 fahasimbana fiara fotsiny ihany. Miisa 02 ny olona mamo ny teo am-pamiliana fiara ka niteraka fifandonana teo amin’ny fiara samy fiara ». Ho an’ireo toerana manodidina dia fantatra fa saika karazana halatra tsotra na miharo herisetra, niaraka tamin’ny sinto-mahery sy fanendahana ary fivarotana zava-mahadomelina no voaray. Olona 14 no voasambotra vokatr’izay. Tetsy andanin’izay moa, nisy ireo olona voatery nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy, noho izy ireo tsy nitondra karam-panondro, ka voatery nanaovana fanadihadiana fototra. Nahatratra hatrany amin’ny 17 ny isan’izy ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici