- Publicité -
lundi, septembre 28, 2026
- Publicité -

Tapatapany

# Sokatra miisa 43 no saika haondrana ka saron’ny zandary tao Toliara. Voasambotra ny tompon’andraikitra izay miisa efatra ary nanokafana fanadihadiana avy hatrany. Vao herinandro lasa koa izay no nisy sokatra 52 isa hafa izay nokasaina haondrana ary sarona tao Ihosy. Miverina miroborobo indray ity halatra sokatra anaty faritra arovana ity.

# Toa ny mana nilatsaka avy any an-danitra ny fandraisan’ny olona ny Dauphin iray izay maty ka natopan’ny ranomasina teo amin’ny « plage » teo Ampasimazava-Toamasina. Tonga ny olona niaraka tamin’ny antsibe ary samy naka ny henany teo mba hatao laoka, ny andro rahateo fety. Matetika anefa dia marary ireny biby ireny ary mety miteraka poizina ny henany. Efa betsaka ny nahita faisana noho izany. Saingy noana ny olona ka tsy nisy nandraraha izany…

# Ny moto samy moto indray no nifandona ny alatsinainy teo tetsy Imerinkasinina. Toe-javatra izay tsy dia mahazatra loatra satria malalaka ny lalana. Mazava hoazy fa vokatry ny tsy fitandremana sy fisetrasetrana no nitarika izany. Moto nitondra olona izay nanao taingin-telo no nidona tamin’ny moto iray hafa. Nitsoaka ny mpitaingina ary iray tamin’izy telo sisa no tavela teo.

D.R

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici