Tsy ny omby ihany fa angalarin’ny dahalo manao andiany ny vary mbola eny am-potony ao amin’ny distrikan’ny Mampikony. Niseho izany asa-ratsy izany ny 4 aprily lasa teo tao amin’ny tanàna atao hoe Ambaiboho-Ambodimanga, fokontany Marambanja, ao amin’ny kaominina Malakialina. Araka ny loharanom-baovao dia marobe ireo mpanafika saingy tsy nahomby izany rehefa nisy ny firaisan-kina teo amin’ny ireo mponina ka nanohitra ireto olon-dratsy. Nisy ny fifandonana ka voasambotry ny fokonolona ny iray tamin’ireo dahalo izay antsoina hoe William izay tratra niaraka tamin’ny ody gasy marobe sy kiririoka. Mbola sarona teny aminy ihany koa ny gony sy antsy fijinjam-bary. Naratra ity jiolahy ity tamin’ny nahatrarana azy io. Tsy natao fitsaram-bahoaka anefa no nahatonga izany fa vokatry ny fifandonana nisy teo amin’ireo dahalo sy ny fokonolona. Nantsoina moa ny zandary avy ao amin’ny “poste avancé” Malakialina ka nandray an-tanana ny fandihadiana azy. Tamin’ny fanontaniana savaranonando natao azy dia nilaza ireo namany marobe izay ao Antafiandaoky, FKT Marambanja ihany izy. Nambarany fa manao “mission” ao Ambondromamy efa ho herintaona izy ka efa betsaka ny asa ratsy vitany tamin’izany. Nilaza ihany koa izy fa fati-drany hono i Ravitsika, izay monina ao Antafiandaoky ihany. Arak’izany, mbola betsaka ireo olon-dratsy nanao ity fanafihana ity mbola miriaria any ka tokony handraisana fepetra haingana satria mitaintain-dava ny vahoaka any an-toerana. Betsaka ihany koa ny olona tsy fantam-pihaviana ao amin’io tanàna kely io. Noho izany dia maniry ireto farany ny tokony hitrandrahana lalina ny famotorana an’ity dahalo antsoina hoe William ity mba dia nilaza ireo namany marobe izay ao Antafiandaoky, FKT Marambanja, ihany ahazoana loharanom-baovao betsaka hisamborana ireo namany.
T.M.