Ny harivan’ny alarobia teoD tamin’ny 7 ora, nisy andian’olona nanafika ny fivarotana iray teny Tongarivo Ambanidia. Niditra ireo olon-dratsy ary tonga dia nitaky ny vola rehetra. Voalaza fa nitondra basy izy ireo, ka raha nahita izany ireo tao an-trano dia tsy nisy sahy nihetsika. Nalain-dry zalahy mora foana ny vola. Tsy fantatra marina aloha ny isan’izy ireo fa raha ny vaovao dia maromaro ihany. Raha vao azony izay nilainy dia ireny ry zalahy lasa nandositra. Nanapoaka basy izy tamin’izany mba hampitahorana ireo izay ho sahy hanaraka azy. Tsy nisy aloha ny olona naratra, hoy hatrany ny vaovao voaray. Saika isan’andro no aharenesana fanafihan-jiolahy eto amin’ny faritry ny renivohitra. Ireo fivarotana no tena mahita faisana amin’izany. Na dia mbola maro aza mantsy ny mpanjifa, tsy miraharaha izany ireo mpangalatra. Mody miditra ohatra ny rehetra hividy zavatra izy ireo.
r.s.