Mpivarotra sy mpifoka rongony roa no saron’ny mpitandro filaminana ny alarobia lasa teo, tetsy Ambohimahitsy Ilafy. Raha ny fampitam-baovao azo dia teo am-pivarotana sy fividianana ireo rongony mihitsy ireo olon-dratsy ireto no noraisin’ny pôlisy miady amin’ny zava-mahadomelina etsy Anosy. Tamin’ny alalan’ny vaovao tamin’ny olona tsara sitrapo no nahazoan’ireo mpitandro filaminana mikasika ireto olona ireto ka nidina avy hatrany teny an-toerana izy ireo. Tamin’ny fisavàna ny tranony no nahatratrana ireo rongony 19 fonosana ary ny lehilahy iray tratra teo am-pividianana. Voalaza fa amidiny 500ar ny iray fonosana raha toa kosa ka 3500ar ny iray « sachet ». Tamin’ny fanadihadiana natao azy no nahafantarana fa ramatoa mpanaraka kamiô izany no mamatsy azy ary isaky ny tapa-bolana izy no mividy aminy.
Fa mbola omaly ihany, ramatoa iray, 30 taona, mipetraka eny Ankazotoa Anosizato no fantatra fa mivarotra rongony rehefa nisy vaovao niantefa tany amin’ireo mpitandro filaminana. Rehefa nidinana teny an-toerana ity ramatoa ity dia tratra tao an-tranony ny rongony miisa 34 fonosana miaraka amin’ny rongony 50g sy rarany 200g. Tamin’ny fanadihadiana lalina natao no nilazany fa tsy mahafantatra ny momba sy ny fisian’ireo rongony hita tao anaty « armoir »-ny sy tao an-tranony ireo izy. Nolazainy tamin’izany fa an’ny anadahiny ireo zava-mahadomelina sarona ireo. Natolotra ny Fampanoavana omaly ireo mpivarotra sy mpifoka zava-mahadomelina voasambotra ireo.
m.L