Nitombo iray indray ny fahagagàna izay niseho tao amin’ny biraom-panjakana eto amintsika. Taorian’ny volamena nivadika vy dia ity indray ny vola nanjavona tao amin’ny biraon’ny tahirimbolam-panjakana. Tao amin’ny birao tao Ambalavao, faritra Matsiatra ambony no nanjavona ny vola mitentina 400 tapitrisa ariary (2 miliara Fmg) kanefa tsy trano vaky na koa nisy fanafihana. Ankoatr’izany, misy mpitandro ny filaminana miambina andro aman’alina ny toerana, kanefa dia tsy hita popoka ny volabe izay volam-panjakana, volam-bahoaka. Ny zavatra voalohany tsikaritry ny mpanao famotoroana dia nisokatra ny toerana fitahirizam-bola (coffre-fort). Izany anefa dia ny fampidirana tenimiafina ihany no afaka mamoha azy. Ny mpiasa rehetra tao dia nilaza ho tsy misy mahafantatra ny zava-nisy ary samy gaga aza rehefa nandre fa nisokatra ny vata elektronika fitehirizam-bola. Misokatra ny fanadihadiana ankehitriny ary efa misy olona maromaro izay nohenoina momba ity raharaha ity. Raha ny zava-misy dia misy tontakely ao anatin’ny birao-panjakana sasany ary miseho miharihary izany. Tsy tany anaty fanodikodinam-bola avy amin’ny fampiasàna hosoka na fikitikitihina mari-bola anaty taratasy intsony ny fomba isehoan’ny halatra fa fandrobàna tanteraka. Handrasana ny mety ho valin’ny fanadihadiana momba ity raharaha ity satria na ny mpitandro ny filaminana niambina koa aza dia isan’ny tokony ho voakasiky ny fihainoana. D.R
Trésor Ambalavao : Ar. 400 tapitrisa nanjavona tao
Articles qui pourraient vous intéresser




Samy manao ny ataony daholo dia tsy misy sahy mifampitory intsony. Ho entina any an-davaka ve ny Firenena e!