Miharitra ny herisetra isan’andro ataon’ny rahavaviny aminy ity ankizivavy 15 taona mipetraka eny Ankazotoho Anosimahavelona ity. Ambonin’izay dia voalaza fa naolan’ny zaodahiny ihany koa izy. Eo anatrehan’izany anefa dia tsy sahy miteny sy milaza ny manjo azy ity ankizy ity. Tonga nametraka fitarainana teny anivon’ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona teny Tsaralalàna ny fikambanana Fiantso, mikasika an’ity herisetra mihatra amin’ity zaza ity noho izany. Rehefa nampanantsoin’ity fikambanana ity tany amin’ny toeram-piasan’izy ireo ilay rahavaviny voalaza fa midaroka azy isan’andro, ary nentina avy hatrany tany amin’ny mpitandro filaminana dia niaiky ny heloka vitany teo anatrehan’ilay zaza. Tetsy andanin’izay, nosamborin’ny pôlisy ihany koa ilay rangahy vadiny, voalaza fa nanolana ilay zazavavy. Tamin’ny fanadihadiana natao azy no nanekeny ny fampiharany ny filan-dratsiny tamin’io zaza io, izay voalaza ihany koa fa nataon’izy ireo mpanampy tao an-trano ary karamainy iray hetsy ariary isam-bolana. Tamin’ny fanadihadiana ihany koa anefa no nahafantarana fa tsy izy mivantana no mandray io karamany io fa ny rainy. Ankevitry ny efa tsikombakomba ratsy eo amin’ny samy fianakaviana ity raharaha ity raha zohina. Samy natolotra ny fitsaràna omaly ireto mpivady ireto.
m.L