- Publicité SW45 -
lundi, décembre 30, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFenoarivo Atsinanana : Toha-drano vaovao ho amin’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo

Fenoarivo Atsinanana : Toha-drano vaovao ho amin’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo

Nanatanteraka fitsidihana ireo kaominina ao avaratra andrefan’i distrikan’i Fenoarivo Atsinanana ny Goverinoran’ny faritra Analanjirofo, Dr Randriamanantena Marcellin ny faran’ny herinandro teo. Fitsidihana nentina nanantaterahana ny tenin’Atoa Filoham-pirenena. Samy nahazo ny anjarany avokoa ny tao amin’ny kaominina Vohilengo, Saranambana, Miorimivalana ary ny kaominina Ambatoharana.

Toha-drano roa

Nahazo tombon-dahiny kely ny tao amin’ny kaominina Saranambana tamin’ny fisitrahan’izy ireo toha-drano anankiroa, izay notokanan’Atoa Goverinora niaraka tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana isanisany tany an-toerana. Ny tao Ronkonina, toha-drano izay afaka manondraka velaran-tany mahatratra hatrany amin’ny 10 ha ka ahafahan’ny tokatrano miisa 35 mahazo tombotsoa. Teo ihany koa ny tao Itrimo, izay manondraka velaran-tany 25 ha, ary hisitrihan’ny tokatrano 50 tombotsoa ihany koa. Manodidina 50 ha any ho any kosa ny velaran-tany ho voatrandraka izay heverina fa hampitombo ny voka-bary, any amin’ny 4 taonina isaky ny hektara any ho any. Izany hoe eo amin’ny 200 taonina eo isaky ny taom-pamokarana ary afaka hiasàna indroa isan-taona.

Tosika ara-tsosialy

Ankoatry ny fitokanana ity toha-drano ity moa dia samy nahazo fanampiana avy amin’ny Faritra avokoa ireo kaominina tany an-toerana : simenitra ho an’ny sekoly sy fiangonana, « megaphone » ho an’ny tobim-pahasalamana sy ny kaominina ary ny jiro mandeha amin’ny masoandro, mba ho fahazavana ho an’ireo tanana any amin’ireo kaominina ireo. Tsy adinon’ity tompon’andraikitra ity ny lalana, mampitohy an’i Vohilengo sy Saranambana, izay fangatahan’ireo mponina ary hamboarina amin’ny volana aogositra ho avy izao.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici