- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers« Rôrô » : Potika tanteraka ny mpianatra

« Rôrô » : Potika tanteraka ny mpianatra

Mila hatao savahao ny mpamatsy ary samborina ny « mafia » ao ambadikany. Raha ilaina ny fanomezana tambim-bola ho valisoa ho an’izay manampy amin’ny fisamborana dia tokony hatao izany. Ny antony dia efa loza manambana tanteraka ho an’ireo adolantsento sy tanora Malagasy ny “cocaine” sy “heroine” ankehitriny. Manginy fotsiny ny “skunk” sy ny zava-mahadomelina amin’ny endriny hafa. Ny talata teo izao, zazalahy izay mpianatra eo anivon’ny lycée iray etsy Ankadilalana no voatery nosamborina noho ny fitsindromana zava-mahadomelina. Ny tao amin’ny sekoly ihany no nandray andraikitra ary nampilaza ny polisy etsy Mahamasina. “Nahitàna rongony raviny ary koa fitaovana fanindromana teny aminy” raha araka ny polisy. Tranga iray izay mba isan’ny nampahafantarina ihany io fa ny ankoatr’izay efa aman’arivony ny mitovy amin’izany, etsy sy eroa ary manerana ny tanan-dehibe eto amin’ny firenena. Ny zandary dia nampahafantatra izany : efa miparitaka tanteraka ny rôrô. Isan’ny nandrefesan’izy ireo an’izany ny fiangaviana ny ray aman-dreny mba handefa hafatra miafina raha tojo io olana io ny zanany. Ary dia tena marobe tokoa ny namaly izany ka nitantara ny fahasahiranany. Dikan’izany, efa tena loza manambana ity zava-mahadomelina ity ary indrindra ho an’ny mpianatra. Mila hamafisina ny lalàna ary koa mifantoka amin’ny fanaovana hazalambo ireo mpamatsy sy mpampiasa vola ao anatiny.

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Tonga dia atao toy ny lalàna any Singapour izay tratra e. Na ny mpifoka na ny mpivarotra indrindra indrindra, tena fanetry be ny firenena ireny. Any Iran sy Maurice ihany koa mafimafy ny lalàna, tokony atao fakan-tahaka.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici