- Publicité SW45 -
mercredi, décembre 11, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRafanomezantsoa Jean Nirina : Ny fametrahana ny fanahy maha-olona no antoka hanavotana...

Rafanomezantsoa Jean Nirina : Ny fametrahana ny fanahy maha-olona no antoka hanavotana ny firenena

Manoloana ny fahasahiranana sy ny olana diavin’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy amin’izaofotoana izao dia maro ireo milaza azy mahita hevitra sy toro-marika na raikipohy entina hiatrehana izany. Toa resabe fotsiny izany anefa raha ny zava-misy iainan’ny Malagasy amin’ny ankapobeny no jerana. Milaza izay lazainy ireo antokom-pivavahana maro isan-karazny sy ireo fikambanam-panabeazana sy ireo milaza ho manam-pahaizana sy mpandalina ny fiaraha-monnina sy ny siansa mahaolona rehetra izao fa toa tsy mahavita na inona na inona hatreto. Manjaka ny asa-ratsy isan-karazany izay manaratsy tanteraka ny endrim-piaraha-monina sy ny soatoavina Malagasy amin’ny ankapbeny. Samy milaza ho mahay sy mahavita hanova ity tontolo ity ho paradisa daholo izay rehetra afaka miteny imasom-bahoaka sy mba nahazo fahefana hitondra ny firenena fa hatreto aloha dia toa zava-poana daholo ireny rehetra ireny. Betsaka ireo milaza fa afaka manarina ny fahorian’ny hafa hitonbdra fanavaozana sy hanasoa ny mpiara-belona aminy raha mba nanam-bintana ka nomen’ny Nahary herijika hiaina ao anatin’ny ampy hahavelona sy hivelarany saingy ny olana dia toa tsy mahafantatra akory ny antony nihavian’izany fanambinana izany ka zary tsy fantany akory ny hizarana ny fahasoavana azony amin’ny hafa.

Izay lafiny izay indrindra no nahatalanjona ireo izay nanatrika ny lanonana nanamarihana ny fisoratam-panambadian’ny zanaky janak’Atoa Jean Nirina Rafanomezantsoa omaly ka nandraisany fitenena nanazavany sy nitondrany heviny momban’ny olana manakana ny firenena Malagasy tsy handroso. Tsy voahaja sy voadinintsika fa ny fanahy no olona ary mibaiko ny fihetsika sy ny firindran’izao tontolo izao. Io fanahy io dia afaka mahavita izay rehetra kasaina hatao raha henoina izay lazainy. Ohatra amin’izany ny tenako, hoy izy raha nilaza fa nianina olana maro saingy nanankina tanteraka tamin’ny finoana an’Andriamanitra Ray tsy toha ka nihaino hatrany ny feon’ny fiheritreretany amin’izay rehetra nataony. Nambarany tamin’izany ny fanenjehana sy ny tsikera rehetra izay niainany, fa noho ny herin’ny fanahy mandinika ao anatiny dia tsy nahasaka azy tsy hiroso.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici