- Publicité -
jeudi, mai 29, 2025
AccueilFaits-DiversSabnam :  Mivarotra rongony eo amin’ny « arrêt bus »

Sabnam :  Mivarotra rongony eo amin’ny « arrêt bus »

 Tsy miafinafina intsony ny sasany amin’ireo mpivarotra zava-mahadomelina. Toa an’i Papelika (anaram-bositra ao anatin’ilay sehatra) izay eo amin’ny toeram-piantsonan’ny taxi-be no manao ny asa ratsiny. Eo Sabotsy-Namehana no toeram-pivarotany, eo amin’ny toerana tena ifamezivezen’ny olona. « Nisy nitoroka avy hatrany tany amin’ny zandary Sabotsy-Namehana anefa izy ka voasambotra ny maraina io ihany (omaly) » raha araka ny fanazavan’ny zandary. Mbola tratra teny aminy ny kitapo iray feno ireo entam-barotra izay miisa 56 fonosana, nandritry ny fisamborana azy. « Raha araka ny fanadihadiana dia sady mifoka i Papelika no mivarotra », hoy hatrany ny zandary. Betsaka ny efa voasambotra fa mbola betsaka koa no mirisika manohy ny fivarotana rongony ary mitady izay hevitra rehetra hanaovana izany. Tetsy Maibahoaka-Talatamaty indray, tamin’ny fiandohan’ny herinandro, dia mandeha kodiaran-droa ny mpivarotra ary manatitra mivantana any amin’ny mpanjifa. Tonga teny amin’ny zandary ny fisian’izany. Natao ny velam-pandrika ary tena nitombina tokoa ny fisian’ilay varotra rongony mandehandeha. « Voasambotra ny iray tamin’izy ireo izay nahatrarana 25 fonosana rongony, ny faharoa kosa rehefa nahita an’izany dia rifatra nitsoaka ary navelany teo ny kodiaran-droa izay nogiazana ao amin’ny zandary aloha. Mbola nahitàna rongony koa tao ambany sezan’ilay moto», raha ny fanampim-baovaon’ny zandary.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici