- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Maty irery teo amoron-dàlana

Ivato : Maty irery teo amoron-dàlana

Nihevitra ny olona fa matory ilay rangahy. Rehefa tena nozohina akaiky anefa dia efa tsy nihetsika intsony ary nivandravandra fotsiny ny masony. Mba tsy dia tena ireny resy tanteraka ireny ny fijery ny akanjony kanefa sarotra ny manombana izay tena nanjo azy. Ny azo eritreretina dia narary izy ary tsy manan-kialofana. Nanaporofo rahateo ny taratasy hita teny aminy fa misy taratasy tokony hividianana fanafody. Ny fanafody kosa dia tsy hita teny aminy. Mazava arak’izany fa marary ity rangahy ity ary noho ny tsy fisiana dia niaretany irery teo ny aretiny izay heverina fa nitarika ny fahafatesany. Betsaka ny nangoraka raha nahita izany vao maraina tetsy amin’iny faritr’Ivato iny. Ny toe-javatra toa izany dia manome taratra fa miady mafy ny gasy ary tsy misy mifampitsinjo loatra. Niady irery ilay rangahy ary dia niaretany hatramin’ny farany ny azy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici