- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimiandra : Nifatratra teo ampovoan’ny hazo ilay taxi-be

Ambohimiandra : Nifatratra teo ampovoan’ny hazo ilay taxi-be

Zotra 139 izay mampihazo an’Antanimena amin’Ambohitsoa no niharan-doza omaky tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany. Tapaka isatra ary tsy nanan-tsafidy intsony ny mpamily ankoatra ny nampidona azy tamin’ilay hazobe etsy Ambohimiandra, tsy mifanalavitra amin’ny mpivaro-boankazo. Nisy ny naratra izay nentina haingana teo amin’ny hopitaly izay tsy dia mifanalavitra eo ihany. Arabe betsaka olona mpandeha no sady teritery Ambohimiandra noho ny fisian’ny fiantsonan’ny taxi-be eo an-toerana no koa ny fisian’ny dabam-pako izay napetrapetraky ny kaominina mahazo arabe. Soa fa mba tsy nifaoka olona ilay taxi-be noho izany rehetra izany fa angamba dia nandriaka ny rà.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici