Lehilahy iray manodidina ny 40 taona teo ho eo no nosamborin’ny mpitandro filaminana omaly maraina tokony ho tany amin’ny 9ora tany ho any teny Andohatapenaka. Raha ny loharanom-baovao dia toa hoe mpiambina olom-panjakana teo aloha izany ity lehilahy ity. Tsy fantatra mazava hatreto izay antony tena nisamborana an’ity olona ity, fa araka ny voalaza dia nahitana basy ankevitry ny tsy ara-dalàna tany aminy. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa toa hoe nisy olona saika ho samborin’ny mpitandro filaminana tamina hôtely iray teny an-toerana. Rehefa nanontaniana anefa ny tompon-trano dia efa lasa vao maraim-be io olona io. Nisy ihany anefa ny fisavàna nataon’ireo mpitrandro filaminana ka tamin’izany no nahatratrarana an’ity rangahy ity. Nentina avy hatrany nanaovana fanadihadiana moa ity olona ity.
m.L