
Amin’ny andro antoandrobe nanahary, tokony ho tamin’ny 11ora no nanakoako ny feom-basy. Teny amin’ny lalam-baovao izay mihazo an’Ambohitrimanjaka no nitranga ny asan-jiolahy. « Nisy moto miloko mainty ary nitondra lehilahy roa teo amboniny. Nosonganany aho ary nijanonan’izy ireo rehefa avy eo. Nidina ny mpitaingina iray ary namoaka basy avy hatrany », raha araka ny fanazavan’ny olona izay voatafika. Ny nataon’io farany dia ny niala teo ambony moto avy hatrany raha vao nahita ny poleta izay natodika taminy. « Nesoriko ny fanalahidy ary najanoko teo ny moto », hoy hatrany ny fanazavan’ny tompon’ny moto. Efa azony an-tsaina fa io kodiaran-droa io no nataon’ireo jiolahy lasibatra. Ny olana anefa dia vao mainka izany nandrangitra ny mpandroba. Nenjehiny sady nanaovany tifi-danitra hatrany anaty tanimbary ilay lehilahy. Ny faraherin’io farany, mba hanavotany ny ainy, dia ny nanipy ny lakile ary nataony hitan’ireo mpandroba izany. Indroa nitifitra ny jiolahy mandram-pahazoany ny lakile. Vao azony izany dia nizara roa fotsiny ireo ary samy nitondra moto iray. Manao antso avo amin’ny tambajotra sosialy ny voaroba moto ankehitriny mba hanampian’ny olona azy amin’ny fanomezam-baovao. Moto marika Racing King miloko manga ilay very.
D.R