- Publicité -
lundi, septembre 28, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAsan-dahalo tao Antsohihy : Maty voatifitry ny Zandary i Marolasy

Asan-dahalo tao Antsohihy : Maty voatifitry ny Zandary i Marolasy

Ny Alarobia faha 10 May lasa teo , tokony ho tamin’ny efatra ora maraina no maty voatifitry ny Zandary tao Ambovondakon’Antsohihy I Marolasy, izay tovolahy 23 taona, avy ao amin’ny tanànan’i Ambalahonko, kaominina Ambalahonko, any amin’ny distraikan’ Antsohihy. Efa ela nokarohan’ny mpitandro ny filaminana azy. Nihezaka nanao fomba rehetra afahana mahita an’i Marolasy sy ny ekipany ny Zandary, ka nahazo loharanom-baovao avy amin’olona tsara sitra-po ny fihafenany tao amin’ny toerana izay voalaza etsy ambony, niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana sy ny velam-pandrika izy ireo. Mailo Marolasy raha iny nahatazana ny Zandary, ary tonga dia nanao tifitra mialoha ny tenany, ary raikitra fifandonana teo amin’ny roa-tonta, izay no nahafaty azy. Malaza ary mampitaraina ny fokonolona ny lehilahy amin’ny resaka halatr’omby sy fampirohorohoana vahoaka. Anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fanafihana sy fandravana omby ny 05 May 2023 lasa teo izy sy ny ekipany, izay mbola karohana fatratra amin’izao.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici