Nohon’ny ny fandaminana ataon’ireo olobe sy ny mpitondra fanjakana ary ny mpitandro ny filaminana any an-toerana no naharesy lahatra an’ireo andian-tanora miady amin’ny asan-dahalo sy miamby tanàna. Ity tokoa no tonga amin’ilay fiteny hoe tsy misy zavatra tsy hovitany fifampiresahana, ary tany misy olobe tokoa hona tsy miady Zaza. Satria nitolo-batana teo anatrehan’nybmpitandro ny filaminana ny Zazafotsy miisa 33, fa hiova fo. Noho ny fifandonana nisy teo amin’ireo Zandary tany an-toerana izay nahafatesana Zazafotsy miisa fito ny faha folo ny volana May lasa teo ihany koa no aton’ny fiovana. Eo anelanelan’ny 12 ka hatraminy 32 taona ny taonan’izy ireo, ary dimy ny vehivavy amin’izy ireo.
Ratantely