- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Nodoran’ireo mpisipa ny tompom-bady

Andavamamba : Nodoran’ireo mpisipa ny tompom-bady

Roa herinandro mahery kely teo taorian’ny nahitana faty olona, may kila forehitra tetsy Andavamamba, no nivaly ny fanadihadiana lalina nataon’ny teo anivon’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava tetsy Anosy, izay nandray ny raharaha. Olona roa no fantatra fa nahavita ny heloka : vehivavy sakaizan’ity lehilahy hita faty ity, ary ny tovolahy iray tsy ampy taona, sipan’ity vehivavy ity. Raha ny fampitam-baovaon’ny pôlisy dia azo heverina fa olana ara-pitiavana, niaraka tamin’ny disadisa nateraky ny resa-bola no nahavitan’ity vehivavy ity izao habibiana mihoa-pampana izao. Marihina mantsy fa efa manam-bady ara-dalàna ity lehilahy novonoiny ity. Saingy nandritra ny famotorana azy no nahafantarana fa mbola niaraka ihany izy ireo, efa nandritra ny roa taona mahery teo. Mazava ho azy fa tao anaty fiafenana tanteraka izany, ary nanofan’Ingahy trano teny amin’iny faritra Andavamamba iny mihitsy izy. Nitranga ny fifandirana taty aoriana ary lasa niantsampy tamin’ny tovolahy kely hanala bacc, vao 17 taona ny tovovavy. Tamin’izay no nitsirin’ny hevi-dratsin-dramatoa kely hamono an-drangahy, ary niraisany tsikombakomba tamin’ilay sakaizany vaovao. Fanafody fampatoriana, tsindrona antsy teo amin’ny tenda ary fandorana ny faty amin’ny lasantsy avy eo. Hevitra nipetrapetraka tokoa, saingy indrisy fa tsy nisy marina tsy hipoitra. Ny 29 aprily lasa teo moa no hitan’ny fokonolona tetsy Andavamamba ny vatana mangatsiakan’ilay lehilahy ary izao voasambotra izao kosa izy roakely. Miandry ny fanolorana azy ireo eny anvion’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici