Nanaitra ny maro ny nahita ilay horonan-tsary niparitaka tamin’ny tambanjotran-tseratsera ‘facebook) naneho andian’olona manao fanamiana miaramila midaroka lehilahy miisa roa, omaly. Araka ny fantatra dia tamin’ny 11 ora alina iny tranga iny ka teny Avaradoha no niseho. Tazana tsara eo amin’ny sary fa avy ao amin’ny trano fisotroana ireo olona ireo no nivoaka. Ka rehefa teo ivelany manamorona ny arabe dia raikitra ny fampiasana herisetra nataon’ireo miankanjo miaramila izay mikapoka amin’ny fehinkibobe sy kobay lehilahy miisa roa. Tsy namelan’ireto mpidaroka mihitsy raha tsy nitsirara tsy nahatsangana intsony ireo sivily ireo na dia efa nitoreo sy toa niangavy ny hampitsaharana ny vono atao azy aza.
Tsy nisy niraharaha
Ny nahagaga tamin’ity tranga ity dia ny fahitana fa nisy ireo fiara nandalo nahita ny zava-niseho saingy tsy nisy nijanona fa nirifatra nandeha. Nisy ireo mba mody nijanona toy ny nanontany ireo mpidaroka nefa lasa nanohy ny diany avy eo. Isan’ny nanao izany ilay fiara tsy mataho-dalana izay toa manamboninahitra ao amin’ny foloalindahy izany ny fijery ilay nitondra azy, raha ny filazan’izay nahita. Rehefa nahavita ny nataony moa ireto andian’olona ireto dia lasa nandeha. Noho izany, tsy nahatratra azy ireo teny an-toerana intsony ireo polisy avy ao amin’ny boriborintany fahatelo raha nandeha nizaha izay zava-nisy rehefa nahazo antso. Ireo olona naratra no hitan’izy ireo ka nandray an-tanana ireto farany no natao ary nitondra azy ireo tany amin’ny hôpitaly.
Misokatra ny fanadihadiana
Manoloana iny zava-niseho ny alarobia alina iny dia nisy andian’olona nivorivory sy nitondra sora-baventy nidina an-dalambe teny Avaradoha manolonana io toerana nisehoana olana io, omaly hariva. Ny anton’izany dia hanameloka iny fihetsika izay heverina fa ho ny miaramila no fositr’iny, ka mitaky ny hampiharana ny lalàna amin’ireo izay nahavanon-doza. Rehefa nanontaniana momba izany moa ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena dia nilaza fa tsy mbola afaka manamarina fa miaramila marina iny andian’olona nanao herisetra iny fa avelao ny fanadihadiana no hanamarina izany. Toraka izany koa ny nambaran’ny polisy izay tonga voalohany teny an-toerana. Nambaran’ireo polisy nandray an-tanana ireo naratra fa tsy nilaza izay antony nahatonga iny famonoana natao azy ireo iny mihitsy ireto roa lahy ireto rehefa nanontaniana izany. Araka ny fantatra moa hatreto dia efa eo am-pelatanaan’ny zandary ny fanadihadihana momba ity raharaha ity ankehitriny ka ho fantatra eo ihany ny tena marina momba izany.
T.M.
Nipetraka teny Ambohitrakely ny tenako tany aloha tany. Ary raha mamaky ny toe-javatra niseho teny Avaradoha aho, dia hoy aho manao hoe: »mbola mitohy hatrany ve ny fomba fanaon’ireo miaramila sy zandary eny @ iny faritra iny, izay manao tsy refesy mandidy, didy kofehy lehibe. Ary maha sahy mihitsy ry zareo amin’ny andro atoandro be izao no manao andiany ka midaroka ireo zatovo eny raha hitan-dry zareo mivorivory. Tsaroako tsara fa isan-kariva dia raikitra ny fifanjevoana eo @ ireo zatovo (izay tsy manaiky lembenana), sy ireo zandary. Tamin’ny izany fotoana izany moa dia tsy nisy ny enquête (1990),tamin’ny fitondran’ny Amiraly Didier Ratsiraka.