- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Fiarabe fito indray kila forehitra noho ny « court-circuit »

Mahajanga : Fiarabe fito indray kila forehitra noho ny « court-circuit »

Irony camion « citerne » irony ny ankabeazan’ireto fiara indray nolevon’ny afo ireto. Ny iray tamin’izy ireo aza dia voalaza fa mbola nisy solika tao anatiny. Antony nahatonga ny fipoahana mahery vaika, nampihovitrovitra ny tany manodidina ny fokontanin’Antanimalandy, ao an-drenivohitr’i Boina iny, omaly antoandro.

Tokony ho tamin’ny iray ora latsaka kely tany ho any no nitranga ity loza mahatsiravina ity tany an-toerana. Taorian’ny fipoahana, niredareda nanaka-danitra ny lela afo nijoalajoala, narahina setroka nijolofotra, nanamainty ny ampahan’ny lanitra mangan’i Mahajanga. Tao amin’ny garazy iray, izay an’ny mpandraharaha amin’ny resaka solika ao Mahajanga no niavian’ity « afobe » ity, araka ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana. Vantany vao nahazo vaovao mahakasika ilay « fipoahana » ny teo anivon’ny mpitandro filaminana dia nidina avy hatrany teny an-toerana, nampian’ny teo anivon’ny mpamonjy voina. Samy niezaka nanao izay ho afany tamin’ny famonoana ny afo sy ny famonjena ireo olona tao anatin’ity toerana ity ireo tonga teny : na ireo mpitandro filaminana na ireo mpamonjy voina na ny teo anivon’ny fokonolona.

Somary nanano sarotra ihany ny nifehy ny afo, kanefa teo anatrehan’ny ezaky ny rehetra dia maty tanteraka ihany izany, fotoana maromaro taty aoriana. Tsy nisy ny aina nafoy, na ny olona naratra, hoy ny vaovao, saingy goavana dia goavana kosa ny fahasimban-javatra. Kamiao « citernes» tsy misaraka lohany na ilay antsoina hoe « plateaux » miisa roa niaraka tamin’ny lohana fiarabe niisa efatra niaraka  tamin’ny « remorques citernes » miisa efatra, ary « remorques bachés » telo no indray nolevon’ny afo tao anatin’izany. Tombanana ho any amin’ny roa lavitrisa ariary any ho any izany fahasimban-javatra izany.

Hatreto, mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny amin’ny antony niavian’ny loza ireo mpanao famotorana. Saingy raha ny angom-baovao azo, dia voalaza fa toa hoe vokatry ny pitik’afo, « court-circuit » nateraky ny fanaovana « soudure » tao anatin’io faritra no nahatonga izao fahavoazana tsy roa aman-tany izao. Marihana fa ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena no miandraikitra izay famotorana izay any an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici