- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbositra : Lehilahy iray maty voatifitry ny dahalo, telo hafa naratra mafy

Ambositra : Lehilahy iray maty voatifitry ny dahalo, telo hafa naratra mafy

Nandriaka indray rà tany Ambositra, faritra Amoron’i Mania, ny alin’ny asabotsy hifoha alahady 26 oktobra teo. Tokony ho tamin’ny 10 or, dia tokantrano telo samihafa, toeram-pivarotana ny iray, no indray nasesin’ireo dahalo nirongo basy norobaina tao amin’ny fokontany Morafeno-Ambany. Tsy nanaiky lembenana ny tompon-trano ka namaly bontana ny tifitra nataon’ireo olon-dratsy. Olona iray tamin’ireo voatafika no maty tsy tra-drano voatifitra, telo hafa naratra mafy, ka vehivavy ny iray. Manoloana ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana mahazo laka ao an-tampon-tanànan’ Ambositra dia nohamafisin’ny mponina any an-toerana ny fiambenana amin’ny alina.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser