- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversTalatan’Ivolonondry : Rangah maty, levon’ny kitay menaka

Talatan’Ivolonondry : Rangah maty, levon’ny kitay menaka

May kilan’ny afo tanteraka ity rangahy lehibe iray tany Antanambao Talatan’Ivolonondry, ny alahady lasa teo. Raha ny vaovao voaray avy amin’ny mpitandro filaminana dia ankevitry ny namono tena ity lehilahy lehibe, mananiky ny 73 taona ity. Tamin’ny alalan’ny kitay menaka no nandoroany ny tenany. Araka ny fantatra hatrany dia nilaza ho tsy nahafantatra izao zava-doza nataon’ity rangahy ity izao ny vadiny, izay miara-mipetraka aminy. Efa vatana mikainkona sy kilan’ny afo tanteraka, tao amina efitra iray tao an-trano, no hita sy nahataitra tampoka an-dramatoa vadiny. Ny nahagaga, raha ny voalaza hatrany tamin’ity tranga ity, dia fantatra fa tsy nisy may ny efitra fa ny tenany ihany no kilan’ny afo tanteraka. Tsy fantatra mazava hatreto raha ny fampitam-baovao hatrany, izay antony nahatonga izao famoizam-po teo amin’ity lahiantitra ity. Vao nitranga ny loza dia efa nidina teny an-toerana ireo mpitandro filaminana nizaha ny zava-misy. Efa eo am-pelatanan’ireto farany ny raharaha.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser