- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMandoto : Jiolahy mirongo basy namaky fivarotana lasa ny 5 tapitrisa ariary

Mandoto : Jiolahy mirongo basy namaky fivarotana lasa ny 5 tapitrisa ariary

Nitrangana fanafihan-jiolahy tao Mandoto ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo tokony ho tamin’ny 12 ora.

Fivarotana iray no lasibatra tamin’izany, efa-dahy ireo jiolahy ary voalaza fa mirongo fitaovam-piadiana maherivaika. Nandrahona sy nampihorohoro ireo jiolahy vantany vao tafiditra tao amin’ilay fivarotana. Tsy nisy sahy nanamaly ny niharam-boina, ny vavam-basy no niatrana tamin’izy ireo. Nanaram-po ireo jiolahy  nandroaka ny entana tao am-pivarotana. Ankoatra ny firavaka volamena sy ny entana dia lasan’ireo jiolahy ihany koa ny vola mitentina 5 tapitrisa ariary. Rehefa izany dia nandositra aloha ny telo lahy tamin’ireo jiolahy niaraka tamin’ny kitapo feno entana sy ny vola fa ny iray nijanona niandry ireo amin’ilay fivarotana niaraka tamina basy ihany koa. Rehefa nandre feom-basy nipoaka ity farany izay voa niala. Talohan’ny nialany dia voalaza fa mbola nanapoaka basy ihany koa. Soa aloha fa tsy nisy ny aina nafoy na naratra tamin’ity fanafihana ity fa ny entana sy vola no najifan’ny jiolahy.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser