- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimirary : Efa dahy avy nangalatra voasambotry ny polisy

Ambohimirary : Efa dahy avy nangalatra voasambotry ny polisy

Tamin’ny sabotsy faha-25 oktobra lasa teo, tokony ho tamin’ny 2 ora maraina,  naharay antso avy amin’ny “Commissariat Central” Tsaralalana ny polisy ao amin’ny boriborintany faha-3 Antaninandro fa misy andian-jiolahy mandroba eny Ambohimirary. Avy hatrany dia nidina teny an-toerana ireo mpitandro filaminana nizaha ny zava-nisy. Nifanena tamin’ireo andian’olona izy ireo. Raha vao nahita ireo polisy ireto olona ireto dia rifatra nandositra. Raikitra ny fanenjehana nataon’ny polisy ny sy andrimasom-pokonolona. Bandy iray no voasambotra. Tafatsoaka kosa ny efatra. Rehefa nohadihadiana izy io dia nilaza ny toerana misy ireo namany. Teny amin’ny toerana antsoina hoe Macoline Ambohimahitsy no nosamborina ny telolahy. Ny iray mbola afaka nandositra ary karohina amin’izao fotoana izao. Nisy ny fisavana trano ka entana maro no tratra tamin’izany : antsy be miisa telo, basy kilalao iray, lecteur miisa roa, écran plat solosaina, kiraro sy lamba maromaro, gitara ary fera fipasohana. Fantatra fa nisy fitaovam-piadiana tany amin’ilay jiolahy tafatsoaka izay mbola karohina.

Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy efatra ireo.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser