Mihamahazo vahana ny asa fangoronam-paosy eto andrenivohitra. Ny andron’ny 26 oktobra 2014 teo, dia nisy olona tonga tao amin’ny biraon’ny kaomisarian’ny Polisy Mahamasina fa hoe misy mpangarom-paosy eo amin’ny arrêt taxi-be Mahamasina, ka avy hatrany dia nentina teny an-toerana ny Polisy. Tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny ny roalahy, ka nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny polisy mba hofotorana. Niaiky ny heloka vitany izy ireo ka nilaza fa vola eo amin’ny 20.000 ariary ka hatramin’ny 100.000 ariary no azon’izy ireo isan’andro ary ankoatra ny vola dia mangalatra finday koa ry zareo ka nahitana roa tany aminy.
Articles qui pourraient vous intéresser