
Voarohirohy tamina resaka halatra vola, halatra môtô ary fanaovana taratasy hosoka sy fisandohana ireto olona ireto. Lehilahy miisa telo ary vehivavy anankiroa, araka ny tati-baovao nalefan’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenana avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Antananarivo Renivohitra.
Misy sasany amin’izy ireo no efa nokarohina nanomboka ny volana martsa lasa teo, kanefa mbola tsy hita ary hangatahin’ny zandary fiaraha-miasa amin’ny rehetra. Ireto avy ny mombamomba an’azy ireo. Atoa Ranaivojaona Maharizo, izay voarohirohy tamin’ny resaka halatra môtô. Nonina tao Anosisoa Ambohimanarina tao amin’ny Lot YVF 191F ity farany, kanefa efa tsy hita intsony teny intsony, raha ny taratasy fampikarohana nalefan’ny tobim-paritry ny zandary eto an-drenivohitra. Atoa Marcelin Ali Saïd, 43 taona, nonina tao amin’ny Lot 1227bis 67ha Avaratra Andrefana. Ity farany indray dia voalaza fa manana raharaha mahakasika ny halatra vola mitentina teo amin’ny 30 tapitrisa ariary teo ho eo. Rtoa Ramanantenasoa Julienne, 63 taona, nonina tao amin’ny Lot IVH 154 Mandialaza Ankadifotsy. Ity vehivavy ity dia voalaza fa mpisoloky ary voarohirohy tamin’ny resaka fanaovana hosoka sy taratasy hosoka sy firaisana tsikombakomba amin’izany. Mpivady iray kosa ny farany, dia Atoa Rafenomanana Maherisoa Tanjoniaina sy ny vadiny, Rtoa Manampisoa Nekena Fanantenana, nipetraka tao amin’ny lot VF 192 Volotara Andoranofotsy izy ireo. Ary voarohirohy ihany koa tamin’ny resaka fisolokiana, fanararaotana fitokisana ary fanaovana hosoka.
Raha ny taratasy filazana fampikarohana azy ireo nalefan’ny zandary dia hiangaviana izay mahita na manana vaovao mety ahitàna ireto olona ireto mba hampilaza avy hatrany ny manampahefana akaiky na ny tobim-paritry ny zandary eto Antananarivo, ao amin’ny laharana 034 14 006 50. Ireo mpitandro filaminana mahita azy ireo ihany koa dia hilazàna mba hisambotra avy hatrany ary hampilaza ny tompon’andraikitry ny famotorana. Manamafy moa ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenana fa raisina ho mpiray tsikombakomba ary henjehina araky ny lalàna velona ihany koa ireo olona minia mampadositra na manafina ireto olona karohina ireto.
m.L