Renim-pianakaviana niharan’ny fisolokiana, no tonga nametraka fitarainana tany amin’ny biraon’ny polisy Mahamasina. Ny 25 oktobra, handray fiara teny amin’ny Fasan’ny Karana izy. Nisy olona roa niresaka taminy ary dia nanoratra ny anarany sady nanome tapakila azy ho anisan’ny mpandeha amin’ny fiara iray. Nisy kahie misy ny toeran’ny mpandeha teny amin’izy ireo. Tamin’ireo olona ireo izy no nandoa ny sarandàlana. Ny iray nitonona ho mpamily ny fiara. Rehefa tena handeha anefa dia samy tsy izy na ilay tapakila na ilay kahie fa mpisoloky ireo olona ireo. Nandray andraikitra ny polisy ka olona roa no voasambotra ary mbola saika hamely olona hafa indray ry zalahy. Ny Polisim-pirenena moa dia manentana ny rehetra mba samy hitandrina amin’ireny mpanera any anivon’ny fiantsonan’ny “taxi-brousse” ireny ary mba hampandre haingana koa ny polisy, raha vao mahita na mahare zavatra hafahafa eny anivon’ireny toeram-piantsonana ireny na eny amin’ny fiarahamonina ihany koa.
Omaly no natolotra ny Fampanohavana izy ireo.