- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Fitifirana ho faty ramatoa, voasambotra ireo mpamono

Anosibe : Fitifirana ho faty ramatoa, voasambotra ireo mpamono

JIOLAHYVosambotry pôlisy avy ao amin’ny kaomisaria boriboritany faha-5 ry Dede kely sy ny tariny. Jiolahy telo izy ireo raha ny fantatra no saron’ny pôlisy tetsy Anosibe, ny sabotsy lasa teo. Noho ny fametrahana ny fifampitokisana eo amin’ny mponina sy ireo pôlisy no nahafahana nisambotra azy ireto raha ny fantatra hatrany. Araka ny vaovao hatrany dia voalaza fa isan’ireo jiolahy nanendaka sy nitifitra nahafaty ramatoa mpiantsena iray tetsy Anosibe ity andian-jiolahy ity, ny herinandro lasa teo. Ary isan’ireo nandray anjara tamin’ny fandrobana teran-tany karàna teny an-toerana ihany koa, ka volabe  3 tapitrisa no lasa tamin’izay. Raha ny voalazan’ireto mpitandro filaminana ireto hatrany fa nisy ny sasany tamin’ireto jiolahy mampihorohoro ireto ihany koa no tafaporitsaka teo am-pisamborana. Ka anisan’izany izany Lava kely sy ny namany izany. Raha ny voalaza hatrany dia ity Lava kely ity no tena lehiben’ireto jiolahy ireto sy mitana ireo fitaovam-piadiana mahery vaika fampiasan-dry zalahy. Ary efa an-dàlam-pikarohana azy ireo pôlisy ao amin’ny kaomisaria boriborin-tany faha-5. Fantatra ihany koa tamin’ny alàlan’ny loharanom-baovao hatrany fa miaramila teo aloha ity jiolahy rain-dahiny ity. Raha tsiahivina kely ny nahazo ity ramatoa maty notifirin’ny jiolahy ity, dia avy niantsena izy, no noheverin’ireto olon-dratsy fa mpivarotra handeha hody ka tsy nisalasala ry zalahy nanafika sy nitifitra avy hatrany. Maty vokatry ny bala roa niantefa teny aminy ity ramatoa ity ary vola dimy alina ariary no lasan’ireo jiolahy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser