- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Adin’ny mpivady, zandary iray maty voatrobaky ny bala

Ivato : Adin’ny mpivady, zandary iray maty voatrobaky ny bala

Nandriaka ny rà teny Imotro Ivato Seranana omaly vao maraina. Raha ny fantatra teny an-toerana dia adin’ny mpivady izy ity, kanefa dia niafara tamin’ny fahafatesan’ny iray. Zandary kilasy faharoa, 26 taona, avy amin’ny Gsis, no maty voan’ny bala teo amin’ny lohany. Naratra noho ny daroka nahazo azy kosa ramatoa vadiny, izay mbola vao 24 taona ary mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hôpitaly. Araka ny fantatra hatrany dia bala iray no nandoaka ny lohan’ilay rangahy ; izay niditra teo amin’ny handriny ary nivoaka tao amin’ny hatony, ka nahafaty ity farany teo no ho  eo. Raha ny voalazan’ireo mpiara-monina amin’izy mivady ireto dia nanomboka tany amin’ny 6ora sy sasany maraina tany ho any no nahitana olona misomebiseby teo an-tokantranon’izy ireo. Tsy fantatra mazava izay anton’izay, araka ny fitantaran’ny olona iray mpifanolo-bodi-rindrina amin’izy ireo. « Ny hany hitanay fotsiny dia nisy naratra mafy nalain’ny fiara teo ary nandeha mafy nivoaka ». Tsy nety nilaza na inona na inona kosa ny tompon-tranon’ireto mpivady ireto raha nanontanin’ny mpanao gazety teny an-toerana. Nolazain’ireo mponina ihany koa fa tsy nisy naheno ny fipoaky ny basy izy ireo. Hatreto tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga izao loza izao. Mifamahofaho be ihany ny fitantaran’ny olona. Voalazan’ireo mponina hatrany fa mifankatia fatratra ireto mpivady ireto ka nahagaga ny fisian’izao tranga izao. Ny sasany tamin’ireo mponina ihany koa no nilaza fa toa hoe nisy zavatra nifandiran’izy mivady talohan’izao loza nitranga izao. Nisy iray tamin’izy ireo aza nilaza fa nifanolana tamina resaka « message », voalaza fa hita tao anaty findain-drangahy izy ireo. Tsy nahatanty izany ramatoa ka velona ny ady saritaka ary niafara tamin’ny fitifirana sy nahafaty ity zandary ity. Loharanom-baovao hafa ihany koa no nahalalana fa ankevitry ny tratran’ity lehilahy ity nampiditra lehilahy tao an-trano ramatoa, ka izay no anton’ny fifandirana. Ity loharanom-baovao ity ihany no nahafantarana fa novonoin-dralehilahy ny vadiny ary avy eo izy nitifi-tena izy. Tsy nisy fanampim-panazavana azo kosa teny amin’ireo zandary teny an-toerana raha natonin’ny mpanao gazety, mikasika ity tranga ity. Nalefa avy hatrany teny amin’ny toeram-pitsaboana ireto mpivady naratra ireto. Ilay zandary namoy ny ainy kosa dia nalefa tao amin’ny tranompaty ary efa nalain’ny havany, omaly ihany. Mbola manaraka fitsaboana, rehefa avy nafindra toeram-pitsaboana hafa ilay ramatoa vadiny.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser