Nisehoana vono olona nahatsiravina tany amin’ny faritra Ambatolampy iny ny faran’ny herinandro lasa teo. Rangahy iray, manodidina ny 30 taona tany ho any no nokapain’ny rangahy lehibe iray tamin’ny antsy, avy eo notetitehany. Sanatria toa ireny hena ireny ary nomeny ny alika avy eo. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa nirahin’ny rainy, izay tompon’antoka tamin’ity habibiana mihoam-pampana ity, hamatotra omby ity zanany lahy. Tsy nety nandeha ity farany ary raikitra ny fifamaliana teo amin’izy mianaka ary tonga hatramin’ny fikasihan-tànana nataon’ity rainy ity azy. Raha ny fampitam-baovao hatrany dia nokapain’ity rangahy lehibe tamin’ny antsy ny lohany ary rehefa nidaboka dia norasarasainy tamin’ny antsy amin’izay. Nahita izany habibiana izany ny olona, kanefa tsy sahy nanatona satria toy ny romotra sy entin-javatra izany ity rangahy rainy teo am-pandrasana ny zanany. Tsy vitan’ny izay, raha ny vaovao voaray hatrany fa nomeny ireo alika ny potipotik’ity lehilahy zanany avy eo. Teo anatrehan’izany tranga mampihoron-koditra izany dia niezaka niantso ny mpitandro filaminana ireo mponina. Tonga avy hatrany teny an-toerana ireo zandary, kanefa raha ny vaovao voaray hatrany dia ireto farany indray no norahonan’ity lahiantitra tamin’ny kalaza teny an-tanany. Voatery nanapoaka basy mihitsy ireto zandary vao nilefitra ity rangahy lehibe ity. Avy hatrany dia nosamborina sy nentina tany amin’ny borigady ity farany. Raha ny fantatra hatrany, araka ny fampitam-baovao dia ankevitry ny mpitana ody sy mpilalao izany ity lahiantitra, nammono nahafaty ny zanany ity
m.L